Tolory tanana (Tefigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô! Tsinjovy sy vonjeo ireo mpifankatia,
Izay efa nifanaiky fa hiaraka ho doria
Aza avela irery fa tantano sy vimbino
Ny fiainany tontolo, tsilovy sy fihino.

Ray ô! Malama sady lavitra ny lalana halehany
Maro fahavalo ilay fenitra henjehiny
Ka tolory tanana izy fa malemy sady osa
Manoloana ireto…. olana miavosa.

Koa apetrako Aminao ny fiainan’izy ireny
Ho tantaninao mba tsy hanjeninjeny.

Tefigasy - 2011
--------
Rohy:
1307 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tefigasy
Nampiditra : Tefigasy
Daty : 03/05/2011 11:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111