Nahoana (Tefigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana angaha no nisy ny tomany?
Nahoana koa no nisy ny sento sy ny jaly?
Nahoana ianao no miaina anaty fihafiana?
Feno fangejana, ngidim-pahoriana!

Nefa dia lazaina fa fitiavana ny fiainana
Paradisa kely tsy misy fitarainana
Fa fifaliana lava, tsy ahitana ankaso
Koa nahoana re no misy ny mandotsa-dranomaso?

Sa io fitiavana io, midika fahoriana?
Tsara am-piandohana, fa miofo any aoriana!
Miova ho tany hay, feno angatra sy lolo
Ilay nofisinao ho haingon’ny tontolo!

Koa raha izany ihany tsy aleo ve tsy mitia,
Raha ho fotoana fohy, fa tsy haharitra ho doria!

Tefigasy - 2011
--------
Rohy:
1069 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tefigasy
Nampiditra : Tefigasy
Daty : 03/05/2011 11:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144