Ho anao (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao sakaiza izao tononkalo izao
Mitsengerina anio, 'lay Ora sarobidy nahaterahanao
Ka miarahaba anao
Azafady anefa, sy miala tsiny indrindra
Raha tononkalo Kely, tsy manandanja loatra, sady tsy mirindra
No MBA fanomezana, hany MBA voavimbina
Ka indro omena anao

Andro lehibe, ho anao NY androany
NY teniko dia tsotra, ho taona sarobidy, sy soa hatrany hatrany
Sy lavitra tomany
Anie NY andronao, ka MBA ho manandanja
Aminao ireo teny, vitsivitsy monja, avy ampon'i Andja
Ho lavotry NY jaly, anie NY fiainanao
Sy heniky ny mamy

Izay no azo ambara, izay ihany angamba
Inoako kosa anefa fa ampy ho anao, hanampina ny banga
Ao anaty mandan'
Ny fiainanao rehetra, izao teny izao
Teny vitsivitsy ,fa fenoiko fo, k'havelako ho anao
Ataonao fahatsiarovana, vitsivitsy monja
Avy ao ampon' I Andja



Vonjisoa ANDJANIRINA (14-sept-21)
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona - Namana
619 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145