You are here: home > Vetso

Fiara efatra efatra - Thierry RAONIZANANY

Azo vakiana?

Fiara efatra efatra
makadiry
vao hanaovana
tranony:

" Lova io",
hoy ilay niakatra
tsy tamin'ny tohatra,

" Herim-po io" ,
hoy ilay nihady lava-drano
sy nahita ny volana latsaka
tao,

" Fanampiana io",
hoy ilay nameta-pitaratra
nohatonim-boro-moana,

Fa hoy ilay nateraka indray :
" tsy lova io, tsy herim-po, tsy fanampiana,
fa Fahasoavana,
Fahasoavan'ny Tompo Jesosy ! -

in NATERAKA INDRAY - laharana 32 -

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Thierry RAONIZANANY

Nampiditra : saikynofy
Daty : 17/06/2005
Mpamangy : 608
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Kidoro mavokely...
Dia 'zahay...
Teto izahay...
Kidoro mavokely...
Iriko izy...
Mahafaka hetaheta...