You are here: home > Vetso

Teto izahay... - Thierry RAONIZANANY

Azo vakiana?

Teto izahay, nitady Anao
teto izahay, nidera Anao -
Ianao nahita tsara ny fizotrany
teto fito taona fantatrao !

Teto koa 'zahay nilalao orana,
teto koa 'zahay namisavisa -
teto, tany anaty lalamby,
na tany anaty rahona na ala mifanjevo -

Teto, eny teto, ary eto indray androany,
mba manina azy aho Tompo -
Asa izay, mba lasana aiza re ny eritreriny,
mba mora nahazaka
ny rotsaka fanala
ihany ve
izy
any ?

Teto ohatr'izao,
samy eny Analakely -
Teto tahak'izao,
mifampiantso kely
hoe: ' aiza izao ianao ? '

in NATERAKA INDRAY - laharana 42 -
( ' nateraka indray' dia hitanao eny amin'ny fivarotamboky )

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Thierry RAONIZANANY

Nampiditra : saikynofy
Daty : 17/06/2005
Mpamangy : 569
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Kidoro mavokely...
Dia 'zahay...
Fiara efatra efatra
Kidoro mavokely...
Iriko izy...
Mahafaka hetaheta...