ANY (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY

Asa ianao raha efa tany…
Fa any misy tia tsy mba notiavina
Any misy fo mba manantena
Any misy tsy zatra nolavina
Any misy zatra noterena
Any misy faniriana mafy
Any misy tsy afaka manoatra
Any misy efa zatra nihafy
Any misy mora misendoatra
Any misy resin’ny tomany
Any misy giazan’ alahelo
Any misy mihohoka amin'ny tany
Any misy zara tsy ho avelo
Any misy tiana tsy mba faly
Any misy verivery saina
Any misy vonona hijaly
Any misy ts’isy ho antenaina
Any misy sambatra dia sambatra
Any misy olana mandalo
Any misy aloka miserana
Any misy tena tompon-toerana
Any misy lapa tsy azo onenana

Mitiava amin'ny fo mba tsy hanenenana…

TIANA
--------
Rohy:
1323 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 14/07/2014 10:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105