MIHEVERA (TIANA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIHEVERAMIHEVERA…
Raha ny tsiky izay mandalo
No hampirehi-katezerana
Hananganam-pahavalo
Tena asio fiheverena
Raha ny maso in-dray mijery
No entina hampivatravatra
Hampihomboana indray ny fery
Ento mora ‘ndrao maratra (na mikimpia rehefa tsy zatra!)
Raha ny teny tsy voavaly
N’hanaovana an-katerena
Hanerena azy an-kabary
Tena mihevera tena
Valio tsiky mba harary
Banjino tsara raha mijery
Raha olon-tiana tsy hamaly
Afoizo, mandehàna irery
TIA
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/tiana/mihevera
Sokajy :
Fiononana
Hevitra mandeha

Imbolatiana
(
10/07/2014 09:52)
Mampieritreritra ny tononkalonao an! kanto ka!

Tianarilala
(
10/07/2014 10:04)
tonga ve ny hafatra,mankasitrak e

hery
(
10/07/2014 10:18)
Kanto...
Nisy nitohana kely aho teo amin'ny andininy faha-3 fa rehefa naverina novakiana tsara dia tsy naninona ihany
Nisy nitohana kely aho teo amin'ny andininy faha-3 fa rehefa naverina novakiana tsara dia tsy naninona ihany

Tianarilala
(
10/07/2014 10:45)
tsy tenan'mafiady io fa fanamafisan-kafatra e,zaho ve d hanao an'zany? hihi