RENOKA (TIANA)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RENOKA

RENOKA
Indrisy tsy mba nisy na dia sary iray monja mba nielina ny saiko
Tsy hoe niniana akory,resin-tory angamba aho tsy haiko
Sondrian’ny soratrao kanto tsy hita isa an’alinalina namefy ny eritreritretro homba anao mamatonalina
Niandry sao mba mety ho voavaly vetivety
Fa ny teninao tsy hita, ny ora koa niaraha-nahita,
Ka ny mason in-dray mipy avy no nahitàko fy
Torimaso efa tsy tana, ianao nihanahana
Ny diam-peninao nandrindra teny hafa vaovao no nampiritsoka indray ny kiririokan’ny finday
In-telo miantoana ,mamy ny hafatra nambarany,resin-tory teo aho fa nitsiky ihany farany…

TIANA
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/tiana/renoka
Sokajy : Fitiavana
776 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : Tianarilala
Daty : 08/07/2014 11:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2057