TE HANADINO (TIANA)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TE HANADINO

Nofy raha ny lasa efa nigohana ny mamy no ho adino tampoka eo
Tsy adino ireny na hilaozana
Tsaroana foana n’inona endri-panavaozana
Tohofy raha ny lasa niaretanao ny jaly no anio zary mamy
Fihino fa aza hilaozana
Anio izao no fotoana sy ilay andro fiotazana
Fa raha toa te hanadino ny hirifiry sy alahelon’ny fiarahana hatrizay
Avia ho namanay
Fa misy tokoa hasambarana mbola azo ifaharana amin’ny fitiava-namana

TIANA
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/tiana/te-hanadino
Sokajy : Fitiavana
908 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : Tianarilala
Daty : 07/07/2014 12:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1996