VAO NIANDOHA...DIA NIFARANA (TIANA)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAO NIANDOHA…DIA NIFARANA

Efa hatrany am-boalohany
Fony ianao teo amin’ny gara
Ny fidoboky ny foko
No efa nisamboaravoara

Nanatona aho fa toa nihemotra
Mbola niarahaba tsara
F’ilay fitiavako nirehitra
Nahatonga ahy tsy nahita ambara

Hoy ianao ary nanontany
“Aiza moa no misy anao?”
“Mianatsimo” hoy aho namaly
‘Ndao fa ho any isika izao”

Dia nanjohy ahy ianao nanaraka
Tsy nisaina akory ny amiko
Izaho nisaina ny hampiaraka
Nandray anao sahady ho mamiko

Eny, tonga izao isika
Mandrosoa am-baravarana
Ny andro moa ‘ty mangatsiaka
Izaho koa fotsy varavarana

Hatreo aloha dia izay no vita
Satria dia hipoka ny trano
Tanaty olona aho tsy hita
Ny ho maminao, hoy aho,angano

…k’aleo anio dia hofaranana.

TIANA
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/tiana/vao-niandoha...dia-nifarana
Sokajy : Fahatsiarovana
813 0
Hevitra mandeha
lewinski ( 10/07/2014 15:34)
Kanto dia kanto!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : Tianarilala
Daty : 10/07/2014 14:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2247