DIAM-PENIKO…. (todisoa ndremiranga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diam-peniko hanjafy, hanaron-dratra anaty
Amboarako ianao, eny mandra-maty
Tsy mba mety ritra, tsy hisy fahataperana
Mandrakotra ny tava, tsy mba azo ferana.

Misy ny manjo, takonan-drahona
Ianao mampitony, ianao amborahana
Misy hafaliana, ndroko misava
Ianao tsy hadino, fanilo hanazava.

Ny hoaviko rehetra, ankiniko aminao
Ny hohantenaiko, ianao mpanavao
Ka hiredareda, tsy hilaim-banja
Amboaran-tononkalo, tena manan-danja.
--------
Rohy:
1729 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136