SOMBIN-DOVA (todisoa ndremiranga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny zavatra rehetra, samy mety ringana
Na vola na harena, tsisy ny voadingana
Fa ny Teniny irery, io no tsy mba miova
Hany mba fananana, zary sombin-dova.

Raha ity Tany ity no hanankinana ny fo
Anio mety ho volamena, ampitso dia efa lo
Fa ny Teniny irery, io no tsy mba miova
Tsy fonosi-mistery, io lay sombin-dova.

Izao ary rehetr’izao, ho potika daholo
Na izaho na ianao, mbamin’ny Tontolo
Fa ny Teniny irery, io no tsy mba miova
Hany azo ianteherana, tena sombin-dova.
--------
Rohy:
1204 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145