FIAINANA IZANY (todisoa ndremiranga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kodiaran-tsarety hono ny fiainana an-tany
Mivadika ambony, mivadika ambany
Ngidy sy mamy hono tafaraka hatrany
Ka indraindray ianao faly, indraindray kosa tomany.

E, aza atao mahakivy fa…..
Fiainana izany!!


Misy fotoana ianao kivy aok’izany
Eny, manao mihitsy aza hoe: ‘’ Tsy anjarako angamba Ratany!!. ‘’

Nitamberina ny andro, nivadika ho taona, dia iny ianao fa mbola eny ihany;
Toa faly indray, velom- panantenana
Toa te-haneho fa olon-tamana

E, Tsy hitako intsony ny hambara fa….
Fiainana izany!!


Zay manatona anao toa te-hanontany
Hoe : “hay ianao mbola velona any ihany
Fa zahay efa nihevitra anao fa efa lasa nandao
fa angamba tsy ta-honina ety intsony
ka efa lavitra antsika kosa zato fony ?.”

Dia hoy ianao tsy maka lavitra hoe:
“ E, Fiainana izany!!.”


Fiainana izany
Matoa izaho zao no mbola velona ihany
Eny, mbola velom-panantenana fa mbola hitraka indray androany
Eny mbola hiova ho tsiky indray ilay tomany.

E, faly aho fa...fiainana izany!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
4057 0
Hevitra mandeha
Domoinalove ( 23/11/2008 15:24)
Marin zan e!Il faut toujours de l'espérance pour la vie
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134