SADIKAIM-PAHALALANA (todisoa ndremiranga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sadikaim-pahalalana, ady hevitra milona
Tsy mampiraika akory, anefa mampirona
Sadikaim-pahalalana, natao hoan’ny rehetra
Na ny kely na ny be, tsy mba misy fetra

Aingan’ny fanahy, ary elatra anio
Sadikaim-pahalalana, rahampitso tadidio
Miova hevitra sahady, tena miova ilay famindra
Lasa avonavom-be, lay fomba teo nirindra

Mba mahazo ariary, dia efa mieboebo ery
Sadikaim-pahalalana, hadino ny fitia
Efa tsy an’ny Tany, tena lasa anjely ngamba
Hadino Betsimitatatra, very Bemolanga
--------
Rohy:
1223 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : todisoa ndremiranga
Nampiditra : todisoa2
Daty : 19/02/2008 13:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095