HOAVINAO BANJININA (todisoa ndremiranga)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy tsiky iray, hanenika ny tava
Dia ambarako aminao etoana, aoka mba hazava
Fa tsy ho foana tsy akory ilay fanantenako
Hoavy mamirapiratra no ho eo am-pelatanako

Fa raha mbola any hianao, manodidina ahy
Tso-dranoko aminao, Andriamanitra anie hitahy !
Na izaho na hianao, amin-javatra rehetra
Na amin’ny mora na ny sarotra, ny aina no ho fetra

Samy manana ny lalany, amin’ny amin’ny lafiny rehetra
Samy manana ny tanjony, tsy hisy ny ho manjoretra
Na lohataona, fahavatra, na fararano ho ririnina
Hafatra farany ity, ny hoavinao re banjinina !
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1827 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : todisoa ndremiranga
Nampiditra : todisoa2
Daty : 19/02/2008 13:44
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0176