Amorony fo madio (Tsi'AR.S)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa iny aho,
mavesatra sy malahelo noho toe-javatra miseho
Noho ny amin'ny hafa, sy ny amin'ny tenako ihany
Mahatsiaro ho tena voagejan'ny halahelo

Tsy mitombona ny saiko, fa te hitomany, tsy mahatelin-kanina
Te hipopopo hoe inona re no atao? dia mitomany
Mitsahatra kely dia mivavaka ahazo hery
Voageja manodidina tokoa anefa tsy tery,
very hevitra nefa tsy mamoy fo.

Ilay fo torotoro,..
mitalaho fatratra mba hanana fo madio ,
ahay hifona, ahay hifankatia d...
ahay hamela heloka, hiainana anaty fiadanana.
Satria tsy mitombona ny saina,
fa lozako raha mitahiry na mampitahiry halahelo ho amin'ny hafa ah..
"Fa ny fitiavana manarona fahotana maro"

Rehefa iny aho nanantona, niezaka, na dia torotoro fo aza...
haiko f'izay ihany no fanefitr'io.
Reko ho mizotra na miadana aza ho amin'ny fiadanana,
fo madio no handrandraiko ho setriny,
hiorenan'ny fanahiko...
izay ihany! tsy misy afa tsy izay.

Soli Deo Gloria

©Tsi'AR.S
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Vavaka
482 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsi'AR.S
Nampiditra : Steff20
Daty : 19/05/2020 14:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114