You are here: home > Vetso

KRISTY NO ANTONY AHAVELOMAKO - Tsi'AR.S

Azo vakiana?

Tsinjoko etoana fa maro to ahy
No mitaintaina sy te itomany
Areti-mandringana no eto anoloana
amorika ahy ary izy ty sa ahoana?

Toa malemy tolefika ny saina sy fo
Raha ny maha olona ahy moa inona tokoa?
Adinoko ve fa Jesoa eo Izy?
Raha ny ato-pisiako dia tsy iza fa Izy.

Naverin'ny Tompo izaho sy ianao
Manoloana izao valan'aretiny izao
etsy vakio anie "Jaona 11 : 4"
Zay fa mazava ny antony rehetra?

Mahereza rahavako,
Hatsaharo ny ahiahy..
Fikiro Izy Tompo
Eny, hoa, aza manahy

Miverena amin'ny Tompo
Anampaka izy @fiainana
Tehirizo, ho am-po...
dia ho hitanao fa ho faly ianao...
... ho sambatra.. "Salamo 147 : 3"

SOLI DEO GLORIA

┬ęTsi'AR.S

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Tsi'AR.S


Nampiditra : Steff20
Daty : 19/05/2020
Mpamangy : 98
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

MIAKINA AMIN'ANDRIAMANITRA
ILAY JESOA FITIAVANA
TIA ANAO JESOA
AOK'IZAY
Amorony fo madio