AOK'IZAY (Tsi'AR.S)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aok'izay ry molotra!!! feno faharatsiana loatra ianao
Tsy fantatrao ve moa fa iny ihany no ideranao lay Tsitoha?
Tsapanao ve fa ny avokan'reo no mamaritra ny anatinao rehetra
Lasa simba mihitsy anie lay maha tempoliNy anao e!

Matoa izy iny tsy mamoka afatsy bala ratsy
Dia ny saina sy fo mintsy izay no efa tena ratsy
Anadiovanao tena sy hitsaranao ny hafa
Mandinia tena fa efa tsy Jesoa no ao mantsy

Raha mitafy Azy mantsy ianao
Dia ho mora foana izany ianao iteny am-pahendrena
Tsy hisandratra amin'ny vava fa ahay hanetry tena
Ahay hiaino ny hafa ka aneho ampitoniana
Fa...
Lay sainao efa ratsy no mametraka ambava reto teninao maloto
Ny fonao feno faharatsiana no mahatonga anao haniratsira
Ahatonga anao tsy hitsitsy fa ipetsapetsan-dava eny

Ampy izay f'izao, iny anie fitaovana entinao midera e!
Anaovanao Halelouia sy Hosana, hitorianao ihany isan'andro lava zao
Ny tsara indrindra , angataho Jesoa
Anisy fiambenana ireto vava sy molotrao
Sady enao ndray ve no ambakan'olon-kafa,
ahatonga anao hoy toy ireny olona tsy menatry ny iady an-tsena,
hamotika ny hajanao amin'ireto vavanao?
izany raha tsy fantatrao no fahaiza-miaina bitika indrindra.
Ka...
Rehefa iny ianao hiteny, tonio aloha ny fo
Misentoa kely dia ny saina alefa aloha
Hevero tsara izay lazaina fa sao enao ho diso paika
Mihevitra ny andresy am-bava nefa ho lavina any am-para.
Fa mbola averiko ihany hoe :
Oak'izay ry molotra!!! feno faharatsiana loatra ianao
Tsy fantatrao ve moa fa iny ihany no ideranao ilay Tsitoha.?

Soli Deo Gloria

©Tsi'AR.S
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
454 1
Mpakafy: Steff20
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsi'AR.S
Nampiditra : Steff20
Daty : 19/05/2020 14:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141