ASA MBA MAKAIZA....? (Tsilefy (Good's))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy teny tiako ho ambara
ho anao ry olona iny;
teny mety tsy ho tsara
ka somary ialana tsiny.

Mazana aho mantsy no mandre
indraindray ko mahita,
fa asa mba makaiza re
ireto vola tsosaintsika?

Isan'andro heno foana
hoe: mitrosa Gasikara
hanavotana ny naona
sy hanana ny tsara;

Nefa indraindray mahagaga
fa asa raha makaiza lotra
itony trosantsika lava
mankahia ny vahoaka?

Tsy lalana mba zarizary
tsy fiainana mba mandroso
fa tsy voahisa ireo marary
sy mahia mikoroso.

Firify ny malagasy
tsy manan-trano hodiana akory
fa manao trano sachet sy taratasy
ka eny an-tsena no matory.

Politikam-pandrosoan
hitrosana vola tsy hita isa,
hay politikam-pamonoana
lavitrin'ny mparadisa....
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
991 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsilefy (Good's)
Nampiditra : Tsilefy
Daty : 26/01/2014 12:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0382