FIANGAVIANA (Tsilefy (Good's))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka re mba tsy ho toetra, na ho noho ny fahoriako
na ny momba ahy rehetra, no nampanaiky anao ho tiako
tsy ho izaho ilay be tomany, na izaho ilay be fisentoina
enga anie mba tsy ho izany, ndrao fitia mora vonoina

Aza izay endriko tsara sy ny bikako mirindra
no hilazanao ahy ho anjara sy ilay tianao indrindra
enga anie ka tsy ny hareko sy ny volako akory
fa raha izany tsy ekeko satria fitia mampahory

Fa ny hitiavanao ahy, aoka kosa ho tena fitita
satria nofo miampy fanahy ity notiavinao ity
mety harary sy farofy, mety hifaly sy salama
mety ho tia manofinofy, na ho resin'adalana

ka tiavo aho ra ory, eny tiavo aho manana
ilay fitiavanao no tsory raha azoko hiadanana....
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1072 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsilefy (Good's)
Nampiditra : Tsilefy
Daty : 30/01/2014 10:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0569