Ny tononkalonao (Tsilefy (Good's))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tononkalonao mampanotany tena
fa mo kisendrasendra sa zavatra nomanina
sy kajy tsara lamina

Ny tononkalonao fa dia nahoana loatra
no mody tsara voatra
fa ny ao anatiny ao
mandatsa tsotra izao,
manindrona ny saiko
fa ny hevitro rehtra tanaty foko tao
dia no soratanao.

Ny tononkalonao mampiondrika ny loha
mampanjombona ny tavako
manankatona ny vavako,
satria ny fahoriako
sy izay anton'ny fisiako
na dia nafeniko aza
dia nataonao tsara laza

Ny tononkalonao tsy ampy sy madilana
ka toy ny zara vilana
fa tsy voalazany ao ny manosika ny foko
hitia antsokosoko;
ho anao nanoratra azy
tena tia tsy vazivazy
ka dia ampio izany
sao misy manontany...
--------
Rohy:
782 1
Mpakafy: ajnal
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsilefy (Good's)
Nampiditra : Tsilefy
Daty : 16/02/2014 03:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148