Tsy ampy ahalaza (Tsilefy (Good's))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny raozy maro loko
sy ny pika sesehena
tsy mahalaza ny ato am-poko
maniry ahazo fanekena

Ny volana sy ny taona
ny andro sy ny ora aza
mbola heveriko foana
fa tsy ampy ahalaza

F'ireny rehetra ireny
angoniko ao anaty amboara
feheziko ho an-dalan-teny
ezahiko hazava tsara

Ianao no faniriko
anilanao no nofidiko
lehibe noho izao tontolo izao
ny fitiavako anao

Ny maraina vao mifoha
ny alina alohan'ny hatoriko
dia samy anofisako avokoa
ny ho eo anilanao ry tiako

Toa tsy misy teny amgamba
tena mahalaza izany
fa ny foko kely jamba
maniry anao hatrany hatrany...
--------
Rohy:
1113 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsilefy (Good's)
Nampiditra : Tsilefy
Daty : 02/02/2014 02:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143