Hafatra.... (Tsilefy (Good's))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry olona tia kanefa tsy tiana o! hafarako ianao
ny fitiavana hono sara-jadiana, safidy ny atao
ka lefero alo raha toa ka tsy toha ny faniriana no kasainao
fa any andro iray ahitanao fifaliana ho setrein'izao


Ry olon'ny fo mpanao valifaty o! izao indrindra koa
raha misy fitia tsy latsaka anaty, onony ny fo
raha sendra ny zavatra tena tsy tanty, dia mialaha aloha
mba zavatra hafa no tokony ho vaky, fa tsy ho ny loha.


Ianao indrindra ry vohitsakitsaka, no mba tiako hilazana
fa maro dia maro mpankasitraka fijangajangana
tia laingalainga sy mamitapitaka, zanak'i satana.
--------
Rohy:
983 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsilefy (Good's)
Nampiditra : tsilefy
Daty : 13/02/2014 19:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145