Angamba (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba tsy ho tsiniko raha toa ka hanadino
Irony lasa niarahana tan-dalan'ny Fitia
Ary aza atao ho heloko raha intsony aho tsy Mino
Irony toky nifanaovana hoe ny antsika ho Doria

Fa vao tojo an-kodimirana dia Io nanova dika
Taitran-drandram-bao ....! nanjary sahisahy
Dia...Tsy nahari-pery fa dia nirongatra hiampita
Nahita vazo hafa ..... nahasarika fanahy

Nefa raha ny marina ,.... dia tena zarako aza
Nahatsiaro maivamaivana ,afaka ilay fatotra
Te hisaotra ny Mpahary ,fa votsotra ny gadra
Nefa odiako mitanondrika,odiako malomaloka

Tsiolaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
145 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 12/06/2024 11:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138