ANKAMANTATRA (tsiolaka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitory ny hakanton'ilay zazavavy ngalyilay tomaratara-bolana zary mikisarisary
misalobon-drahonkely anivon-kitana alin-kisa
sarangaiko ho ilay dindon'ny mpanjakavavy Balkisa
Liombavy mahatoky tsy mifezaka aman-kaza
tsara tombana marirana ,tsara rindra,tsara laza
mivolon-dain'i kedara ngilongilo manan-doko
ao an'heritreritro izao miraratra ny hosodoko.
hosotra mareva-doko mitsivaka hatrany andakira
toa dihin'ilay solemita anaty angolan-tsasinkira
amparalalim-pahatsiarovako injao miantsy hifangia
fikarantsan'antranantrana ,ritsodritsoka valiha
Mitory ny hakanton'ilay zazavavy ngaly
ilay tomaratara-bolana zary mikisarisary
misy dindon-jazavavy maharevorevo fatratra
ao anaty masony ao ,misy valin'ankamantatra.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
tsiolaka
