Ampidiro aloha ny tenimiafina
Apongalahy (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
famelona iray tao an'ala toa renytsara sisin'ny tana(n'ny) mpahay vaky tsofa
nojarian(a) ho kipantsona tsara jinery
sandratr'andro Alakaosy malain-kanosa
ondralahy tokam-bolo, mena mazava
voalatsa-drĂ tamin'ny Vava Alahasaty
nohodirin'ny tanan'ny efa kalaza
tsy kasian-tanan'ny mpiditra am-paty
vahy tsara ladina,voarandran-ko tady
natao fanenjanana sy ampifandray
hanandratana hira rehefa Alahamady
vavaka hiampita any ankoatry ny tsy hay
Tsiolaka
19.01.24
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
