asakasakareo (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Leom-boananana omaly
Ka tsy tia zava- boribory
Olom-bodo ka tsy mba mamaly
Ka asakasakao manai- matory

Monamonain-kofak'ondry
Ka tsy tia zava- misavily
Efa zatra voatora- kilonjy
Ka asakasakao mbola mikiry.

Rafotsibe leon- tsokina
Ka tsy te hierika vodikifafa
Bonaika tsy mahefa mitokona
Ka asakasakao mirafarafa.

Setroky ny kitay nangatahina
Ka tsy te hijery trano nahazoana
Tsy mitovy ny fetra tratrarina
Ka asakasakao mahasahy mandona.

Tofoky ny ràn-kena
Ka tsy te hierika ny tany mena
Efa zatra ny manetry tena
Ka asakasakao mbola mitrena.


Tsiolaka in farango sosona
16-07-2011
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
88 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 10/06/2024 08:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147