Bartimeo (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro izay nisy teraka jamba
Dia Bartimeo ilay ory am-panahy
Mba maniry ahita izay zava-mitranga
Saingy tsy afa-nanoatra ity lehilahy

Fa rakotry ny haizina izay nojereny
Tsy mba afaka ahita ny tsapa sy rè
Mantsy efa hatrany an-kibon’i neny
No jamba ka mandrak’izao lehibe

Kinanjo indray andro dia injany korana
Vahoaka alin-kisa no injao nikotaba
Fa tonga nandalo, mby eto an-tanana
Ilay mpanasitrana tena malaza

Mba taitra Rabary nadre an’izany,
RaBartimeo eo no tiako lazaina,
« Ampio aho lehiretsy a,ento mankany »
Nefa tsisy nihaino,ka zary nangaina.

Ny hany heriny dia niantsoantso
« Ry ilay mpanasitrana,izaho mba reneso,
Fa tena mijaly aho mba marina mafy ,
Miaritra ngidin’ny latsa sy eso »

Vonjeo aho ry Tompo fa tena sahirana
Amindrao fo fa mba te ahiratra
Hatrizay hatrizay aho tsy nahita mangirana
Tsy mbola nahita izay masoandro mihiratra

Ny vahoaka maro tsy niambahamba
Fa tezitra sady nadrara ihany koa
Akombony ny vava ry teraka jamba
Aza elingelenina ilay mpanasoa

Ny sasany moa dia nanao farahehy
Sy nanosika azy fa hoe rikoriko
Fa mainka niantso ity lehilahy lehibe
Meteza e! toavy re ny faniriako

F’ilay mpanasitra nandre izany
Dia nijanona sady niteny am-pitiavana
« Antsoy ho eto amiko ilay jamba izany »
Sina sy gina ireo mpanavangavana

Lasa izy ireo ndray no zary nandrisika
Hoe : Matokia fa miantso anao izy
Lay fatra-pandrara sy mpitakoritsika
No hoe : ho sitrana ianao fa aza kivy

Isika ihany koa mety ho Bartimeo
Te hiala amin’ny haizin’ny fahajambana
Ezaho ny antso vonjy,akaro ny feo
Aza mangina na dia efa rarana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
89 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 10/06/2024 14:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1182