DADAN'OLONA INY (tsiolaka)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ...!Saika tsy hiteny ihany aho fa tsy maintsy ranabavy
Tsy vatrako intsony mantsy ny hangina tsy hiloa-bava
Moa tsy efa hatram-boalohany no hainao fa manambady
iny dadan'olona iny f'ianao nanantena handrava?
Kanjo...!
Vao nitsaika biby an-kibo dia nahiliny sahady
ka nibaby kitra irery,tsinipany tam-bavafo
Moa tsy efa hatram-boalohany no hainao fa manambady
iny dadan'olona iny f'ianao minia manao didoha
Eny e...!
Saika tsy hiteny ihany aho sao handatsa ny voalaza
Ranabavy a! ranabavy! f'ianao ve tsy mety fay?
Sa odianao tsy hita akory ny pitra sy tomanin-jaza
Dia sahisahy ianao handramby dadan'olonkafa indray?
Nefa...,
Any izao misy zaza misakafo ambilombazana
Misy reny miady irery mikaroka izay hatokona
Misy zaza miandry dada iangotiana,iantsapazana
iny dadan'olona iny kosa...,avereno amin'ny tompony
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana