dia gaga! (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia gaga aminao aho ry kavim-barahina
sady mangery maitso no vazina foana
tsy vitan'ny efa manara-davahana,
fa mirebika an-doto manaonao foana
Ry zalahy mena somotra no mody miady
manao ankandasitra hanao teti-dratsy
dia ialahy mianakavy no vesaran-tsazy
sy taingenam-bozona mandrapahafaty
Dia gaga aminao aho ry kavim-barahina
mahay safosioka mampandry ny adrisa
tsy halohalika intsony fa mby am-balahana
ity ranom-bary nodradrain-ko ritra.
Toa odiana mikipy ,odiana tsy tazana
ny valalabe mandry tsy mandady harona
tsy manan-karapaka afatsy ambilombazana
sady very fanahy tsy mahita ny marina
Dia gaga aminao aho ry kavim-barahina
natao ho ody lolo hampandry ny saina,
kanjo famori-nana niotrika lalina
nisioka ny varatra ho singotry ny aina
Tsy mena-mivadika toa andro ririnina
vao nisotro vokaka omaly ny omaly
hanambazan-kionona an-dRatsinambinina
manao tsy ho misy an'Andriananahary
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
208 1
Mpakafy: tsiolaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 19/08/2025 21:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0138