Eto an-tany (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto an-tany fandalovana ,heni-doza efa lò
Misy vony miha malazo ,tsara tondraka tomany
Rakotra alahelo lalina, tototr' alahelom-pò
Aloka sy avelon-tsento tsy ho levon'ny vinany

Misy maso roa mipitra am-paratazan'ny tsy hay
Sy pariakan'hazanava manjepizepy mitsilopy
Toa velirano nifanaovana dila kila efa may
Nitsonika dia indro levona tanivon'anjo tsisy toky
Fa ritra mantsy izao ny oniben'ny fangorahana
Ny latsalatsan'ny andro lasa io mitrebona eo an-daka
Fa angolan-teny efa reraka efa dify nangatsiaka
Moa tsy ravina nanintsana maina konka Dia nalazo

Eto an-tany fandalovana ,heni-doza efa lò
Io fitia ritra aina ampofoin'ny halozana
ny anjara kintany aza rendrika tsy afa mifoha
Hetsi-pò mangidy saron-domotra malama

Ny hiran'ny poeta izao efa tonga hiran-tsaona
F'Ilay penim-panoratany efa maina ranomainty
'reo nofinofim-pandrotsiany toa nivadika ho Moana
Toa zaza sary tsisy ray,norakofam-boaly mainty

Teo am-para-vodilanitra ilay mahantra taratra iny
Nisy sombin'hazavana,mbola afaka hamiratra
Voakajy anaty fon'ilay mitahiry embo-mivahiny
Tomaratr'hazava-matsora ,efa vonona hiiratra

Eto an-tany fandalovana ,heni-doza efa lò
No vakitsiry indray ny aina te hanenika tontolo
Antotan-tsindrimandry eo an-dalan'ny ho toa
Mamoha indray ny maty amin-kiram-borondolo

Tsiolaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
130 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 12/06/2024 11:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081