Hafahafa (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hafahafa ka tsy takatro...!

inona no nisitrihan'ny tantely an-dava-botry?
ka nandrafetany ny papiny tan-tsefaky ny fotamaina
moa hanolotra ny mamy sa fitia te hila sotry
Iza no afaka hanazava fa valalanina ny saina

hafahafa ka tsy fantatro...!

amboa vantony mitaiza itangoronan'ny tantely
mivingitr'ireo vovombony mavo adala tsara loatra,
toa bonaika sady moana miafy ao an-dava-tery
moa fanaparan-kery sa hevi-petsy sy hararaotra?

hafahafa ka tsy vatrako...!

ny hangina tsy hamisa izato hevitry ny nofy
anaty alin'ny ririnina mamanalan'hirifiry
mosarena hafanana an-davak'hidy mitsilopy
alako faditra f'andrao tsy tò ny tanjo(na) nofinidy


Tsiolaka
100424
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy
128 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 07/06/2024 23:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138