HAMY (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miverina manditsokaIlay vovoka fahiny
Niaraha-nilalao
teny an-dohan'ny vinany
Injao fa re niritsoka
tanatin'ny tadiny
ny angolam-peonao
ilay rotsaka tomany
Fa ny eto izao mamerina
ireo lasa tsara tefin'
ny vita sy tsy efa
ka mihovitra ao anaty
fa zary mitsingerina
anaty maridrefin'
ny vetso miantefa
ka mila tsy ho tanty
naninteraka ny tsiky
teo imolotro nahatsiahy
nisambaran'ny tadidy
eny satriko iky
ho iraina am-panahy
fa tadidy sarobidy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy