Nolaingosako aman-taho (tsiolaka)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa fikarantsan'ny valiha maraina vao maneno akoho
manainga ny fanahy hanakatra haba-manga,
toa feon' angorodao...! valo lambanana ankiroa.
Toy ny tsikin-jazakely vao maraina sanjasanja.

Toa ny hiran-doharano miparasaka amim-kery
maninterak' avana amin'herikerik'ando,
toy ny taratra johary miaro siokam-boronkely
toa hanitry ny telomiova afafin-drivotra isan'andro.

Toa ny tsikim-bolan-tsinana ,anivon- kintana alinkisa,
misasy hiran-Janahary sonenika any am-paradisa.
Hovitr'onja mihararetra mamelovelo anatiko ao..!

Toy izany Ilay kalonao ry mpiantsa velon-kira
manatosaka hasambarana hatrany ambadika, an-dakira !
Ry poeta , ny hiranao ? nolaingosako aman-taho!



tsiolaka
18-06-2024
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
128 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 18/06/2024 07:55
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145