hitsa-damba (tsiolaka)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitsahinao ny lambako raha iny aho fa niserana
Ka dia latsa-damba taminao ny foko taitram-piheverana
tsy ilay nirefarefa intsony na ahiana koa sao very
fa tojo anao ilay tia ka intsony tsy hanirery

maro mantsy ireo rofia,maro ireo ravaky ny ala
no naniry sy hikasa mba antsoina hoe malala
nikasa ny hanitsa-damba no noteneniko avy hatrany
hoe…
aza itsahina ny lambako f’izaho mbola lavitra akany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
111 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 10/06/2024 08:54
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141