Lilatra (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahay 'nareo lehiretsy a,lilatra dia lilatra
Ny Ntaolo razanay angamba mety ho rarak'ivy
amin'izato fahendrena sy sainareo mahiratra
vesaran-diplaoma miavosa be izay tsy izy

Mazana ianareo e! tena lalim-pandinihana
Mahay manavao ny tsy takatry ny hendry
Voasira vetivety Mbola teny am-panidinana
Ilay valala mpiandry fasana mbola tsy voaendy

Ny vohitra fihasinana ary ve...no tototra hadivory?
sa ireo namelan-kafatra no maty mason-drano?
sahoan-dresaky ny ankizy tsy afapò ronono akory
no mandrobo sy mandrendrika , mampiditra angano

Dia lasa teo ny saiko nandinika an'izany
Nahoana no mangina ireo tompony hatry ny ela
Ny tenindrazantsika vé havarina amin'ny tany
sa tsy hita ve ny maimbo ka hisaron-doha mihavela?


tsiolaka
220624
16:19
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
89 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 25/06/2024 05:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.035