MIANAVARATA (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hisy sorohitra ho tonga fody fa samy amin'ny sata nataon-Janahary
raha hiatsinanana i masoandro mody
Dia mety azo heritreretina izany
Raha ririnina ny andro dia mitovy volo
satria fahendrena ny manetry tena
ny ankoay tsy hivadika ho vorondolo
Ny sorohitra tsy afaka ho fodilahimena
ny anaran-tanana no tsy bambaray
dia ny hasin'ny vohitra misy karazana
matoa koa teherizina ny anaran-dray
Dia ho fanajana ireo hafa-drazana
Aza mailaka hiteny izay zava-tsy Hay
fa mianavarata dia ndeha manontany
fa tsy hoe raha tsy azo ny hevitra iray
Dia lazaina fa hoe tsisy antony izany
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana