Nasoka (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
naharendrika tsy nahy ilay afobe tao edena
misarin-davaka mangitsoka nosaloran-diadema,
mibaràka eo an-dohany tana-taratra hazavana
ny lamba mainty nisalorany manevokevoka hafanana

toy ny sary hosodokon'ny fanahy tsy mahatam-belona
Mirenty sy miraradraratra an-takariva mitsingerina
somparan'erikeriky ny fo torovandrovana
nalaky nihalotra azy ireny tany am-parafahatsiarovana

injao ny dindon'ilay tsiahy nieloelo an-terisetra
sahisahy manindrotsindrona amin'ny lasa tsy nitoetra
hitango ny tsiaro lavitra any ambohoky ny manina
Novesaran- tononkiran'ny mpiantsa valalanina

f'eo an-tsefaky ny paradisa mandranondranoka tantely,
misalotra ny sorakanton'ny volon'elatry ny Anjely
Misy hira tsy hiraina raha tsy efa notsitsihina
Andrao hamoha ny maty ela, maty tsisy mba nanirina

Inay aho! inay mihitsy tsy nanandrana nigoka
tamin'ny antsiririn-jingan'ilay paradisa mpanodoka
Fa resy ,lavony ka nihohoka
toa Zaza tsy hary akory fa efa Maty hatrany am-bohoka

fa nisy hariva nankafizana ny tonom_bavaka nasandratra
nampitanjaka tsy niambatra ireo naniry ny hisambatra
rahatrizay ho tafatambatra....,

saingy tsy tra-tsinjo ankodimirana ny afoben'ilay edena
nanandramana nigoka izany ngeroka tangena
niraparapan'hetahetan'ny ranon'ivin'ny demony
nandritra ny fiandrasam-patin'ilay mpiandry sahan-donilony

Niandoha teo ny fodiamandrin'ilay zanaharivavy
main'ny afobe mandoron'ny tendro-pihasinan'Alahamady
foa....foa.. foa....
forehitra kila sy may lasa lavenona
ilay aza tontosa ,sahisahy velona

ato an-tsaiko izao ny fiparasaky ny edenany noratraina
Any....!
tsy ahatratra akory ny somambin'ny vola(na) tra-maraina
fa nisoka in-telo tany am-paralalin'ny tsy hita
Angamba ...!
eny angambaiko tsy hitompoko teny fantatra hoe vita !

vereza any ambadiky manangareza
dia Meteza
ho sakaizan'ireo fanahy manjenjena
tsy mahita izay lalan'ny fanadinoana
manenina sy manantena hifona
amin'ilay tsy ho teraka mandrakizay
raha Mbola tsy mihetsi-jaza indray
Ilay zanahary momba manary aina


Tsiolaka
030424
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
125 1
Mpakafy: tsiolaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 07/06/2024 23:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0701