Nidikizo (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sodokan'ny tokiny an-kamorana
dia maika hivelatra Ilay raozy dia,
tsy niala bolilan'ny fotamalama
maika hilalao,maika handrovitsihy

Fa nanjary latsa ireo ditra fahiny
nandrakotra ny andro nivingitra tsiahy
Ilay voatavo finandraka tsy tonga siny
Tsy sitramiody ilay ratram-panahy

Sendra ny roran'ny matavy an-delany
manao mamy lela,mampandry ny adrisa
ka nilavo lefona ,nanaiky nolemany
voaletiny lalina anaty tanisa.

Dia ho aiza amin'ny lala-niraparapana
raha nanarin-tsy zaka ka tratry ny nenina
Ny kizo nidirana no nigadrana,
Fa lalamikonjo tsy ahafaha-miverina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
52 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 02/09/2024 12:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732