Niova dika (tsiolaka)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adala ve isika raha toa ka samy resy
na dia nilokaloka fa tsy hanova dika
Ilay fitia maty paika sady efa tsara refy
fitiava-maninteraky ny finamanantsika?

adala ve isika raha niofo Ilay Fitiavana
ka tsy vatra nosakanana ,tsy tana,tsy voafetra?
Fa manao ambozizy tsy Miaky ho mpinamana
manao an-terisetra ami(n'ny) lafiny rehetra

Dia vaky vony teo Ilay fitia namololona!
Zary tena tiana, Ary tia tsy misy tsiny
nitroatra tsy hay tohaina,ary tsy azo nokobonina
nivadika olon-tiana ilay namana fahiny

Eny ,angamba adala..! adalan'ny fitia
Tsy misy ankoatra izay izao no manjaka ao
fitiavan-tsara taniky ny fo roa mifangia
miaraka mitempo manandratra hira vao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
132 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 09/06/2024 08:48
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0267