Raha azoko natao (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha azoko najanona tsy hiodina intsony
ny famantaran’andro ,hanajanona ny ora
dia angamba ho nataoko mba ampitonitony
ilay fitiavako masiaka misoko moramora

raha azoko notanana tsy hilentika ihany koa
ilay masoandro hariva,mitara-menafify
dia ho nataoko mihitsy ahafahan-tsika roa
manohy ilay fitia toa mitampifipify

raha afaka nifidy aho ny ora ahafatesako
ka hoe izao ihany dia afaka hifidy izany
dia iny omaly iny ilay fotoana nandrenesako
tsiron’ilay molotrao ry mamiko eto an-tany

fa io no ora lafatra sy nisambarako ny tsiahy
ka tiako aho ho sambatra any ambany rangolahy
ka ny endrikao ry tiako no zava-paratazako
ny feonao no ho fara-reko eo am-panidiana vazana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
136 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 10/06/2024 08:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014