saova momba ny vady (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vaky ny sova momba ny vady
Mpivady resahako lahy sy vavy
Ny ankoatra ireo dia mamohafady
Ka ialako sy hanaovako azafady

Eto dia atsidiko sahady
Fa hiresaka vady amin’olom-pady
Tsy mba somonga na vazivazy
Resaka vady ka saropady

Misy ny vady ; vady an-tery
An-tery tsy safidy velively
Tsy safidy fa teren’ny ray sy reny
Zava-tsy zaka,mahatonga fery

Misy ny vady,vady amboarina
Tanora no resaka raha ny marina
Tambazan-karena sy tolo-kanina
Amboarin’ireo izay ho rafozanina

Ny vady hafatra koa toa izany
Hafatr’ireo ray sy reny tany
Satria hono vazo mitovy ihany
Nahoana no dia hanalavitra any

Misy ny atao hoe fofom-bady
Mbola zaza dia voafandrika sahady
Mpihavana no tena manao azy
Sao hifindra harena ny mpianakavy

Ny vady loloha tsy atao akora
Raha i zokilahy no maty tanora
Zandrilahy mpitovo raha tonga ny ora
No mampakatra an-dravehivavy tsy ho tola

Fa toa hafahafa ilay vady an-tsiraka
Raha mila ravinahitra na voairaka
Teny ierana hiaraka tsy hifamitaka
Rehefa mody rangahy : miparitaka

Misy ny vady : vaditsindrano
Izay vady ivelan’ny tokantrano
Sakaiza na vazo hoy ny olo-maro
Nafenina mafy fa andrao ho angano

Ny ranitra dia tokantrano imaso
Raikitra tsy misy andraso andraso
Tsy lasam-bodiondry na tapimaso
Iray trano dia eo mifanasohaso

Ny vady sengy dia tsy nierana
Kanefa miseho amin’ny iray tanana
Tsy fomba vita,tsy teny ierana
Dia mitambatra maneho ny hadalana

Misy ny vady kiadin-tany
Politika no tena anton’izany
Mba hanamafisana fehin-tany
Handravonana ireo ady sesilany

Vady andrana no fizahana toetra
Hijerena an’ireo lafiny rehetra
Tsy mandrakizay io fa voafetra
Saingy raha toa miteraka dia mitoetra

Misy ny vady lohamandry
Vaviantitra manambady mbola zandry
Antsitra-po tsy nampiasana vangy
Fa manga ny resany sady nandry

Misy koa ilay vady …tra-nenina
Nanenina ka indro nifamerina
Niova ny hevitra izay noheverina
Roambifolo andro nisaorana ka naherina

Fa ity kosa aloha tena hafa be
Ilay antsoina hoe vady tsindry fe
Vadikely nomen’ny vadibe
Ho am-badiny handranto ela be

Ny saodranto koa dia toa izany
Rangahy hiasa , lavitry ny akany,
Nitsodrano am-badiny hanambady ihany
Mandra-piveriny indray avy any

Ny aza manody fa tena mafy
Ny sendra ilay vady tra-drafy
Tsy niera amim-bady hoe ampirafy
Votsi-droa fa sendra an’ ireo nigafy

Vady ahantona ,aza manody fara
Nisarahana saingy tsy vita tsara
Tsy natao fombafomba ka lany zara
Tsy vadian ary tsy dimbiasin’ny afara

Hafa ihany ilay vady an-tsitrapo
Ilay tena fitiavan’ny olondroa
Fitiavana iray nampifangia ny fo
Matsiro any izany e… ! marina moa

Ialako ny saova momba ny vady
Ka ity misy teny hamaranako azy
Raha poritra mafy te hanambady ?
Hevero ny asa hamelomana azy


Tsiolaka
190522
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
149 1
Mpakafy: SamMakavela
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 10/06/2024 13:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1105