Satram-baliha (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
satram-baliha tsara ritsoka
angolapeon'antranantrana
mihenjan-jihy maro afitsoka
midrisina feo mikarantsana
toy ny kalon'ny andro maraina
miampofo fitia mamololona
nitrebona tsy hay notohaina
vaika mibitaka ho forona

topimaso tsy hita fihavy
tsiky tosaky ny hery miraratra
niparasaka imolon-javavy
voatra'anjely toa vola-tomaratra
tsikombakomban'ny fo efa tia
misary adala ao anatin'ny sangy
mihantsy an-ditra fa te hifangia
tsy tafandry fa satry hifamangy

kopa-damban'ny malai-misaraka
safo siokan'ny mapandry adrisa
fa ny embona aty variraraka
saingy afenina anaty tanisa
te hioty ka miambakavaka
sao mba manina olon-tsy Liana
pitrapitran-tomany tsy raraka
fa ny Tia ve moa mety ho Tiana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
103 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 09/06/2024 08:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141