TAPIA (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ilay zanak'olona be hambom-pò
Nilaza tsy hitsindroka voankazo lò
Kinanjo fa tratra ary dia nankafia
Indray andro raha nihiditra ny alan-tapia.
Izy itony hono mantsy tsy azo anihina
Fa mitsimpona ifotony ianao raha te hihinana
Teo no nanesokesoka niala liana
Fa nahazo alokaloka feno hamamiana.
Tamin'ny misandratr'andro,nandalo Rabary
Avy nanatsa-tahala teny an-tanimbary
Indro nitsimpotsimpona havanana,havia
Nanangona olatra tam-body tapia
Fa hataonao inon'ireny 'ngahirainy a?
Hoy aho nanatsafa ny zavatra hazainy;
F'ianao angaha vahiny ry ilaikely ity?
Tsisy laoka matsiro toy ny ola-tapia.
Hanky va re!hoy aho raha namaly
Noheveriko anie hoe ny voany ihany
Ilay iray no harapaka fa telo no aloa
hay mbola maro ireo tombontsoa;
Aoka ary ianao tsy hilazako azy
Hoy Ikaky Rabary nanao vazivazy;
Fa i bebe Ravao ilay mpanao raokandro
Maka ravin-tapia mila ho isan'andro.
Fanefitry ny inony moa izany ry Ikaky
tsy arako daholo ry lahy no ampiasany azy
Fa ny ahy izao ny aretim-bavony
Nitanehako ravin-tapia:tsy niverina intsony!
Tsy nijanona hatreo ary ny hagagako
Indreny ankizy maro no mifakofako
Manangona taho sy ny ravina maina
Hoentina mody ,sitrany hataina.
Dia injao koa niantsoantso ny tao an- tanana
O rankizy a! aza adino ny maka bokana
dia ilay karazam-panday amin'ny ravin-tapia
Laoka fanendy mbola be mpankafia.
Ny vokatsoan'ny tapia dia tsy tambo isaina
Fa maro dia maro no azo lazaina
fa sady sakafo no harena izy ity
Tsy manan-tsahala ny alan-tapia.
KOA ANDEHA RE KAJIANA satria raha ny marina
Ny TAPIA dia isan'ny SISAN-KARINGARINA.
Ka tsy mba fahita afatsy eto amintsika
Mikaroha anie eran-tany e:ianao tsy ahita!
Nataon-janahary ho Gasikara ihany
No misy tapia eto ambonin'ny tany.
tsiolaka in variraraka
08 nov 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
86 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 08/06/2024 07:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141