Tevika (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
kevokevoka aok'izany fa hoe anangana tempoly
arantiranty an-tambazotra hoe mpandroaka ireo devoly
Dia milanjalanja boky ,mirebareba akanjo fotsy
Nefa sahisahy mandrimbina ny zaratanin'ny kamboty

Dia mirehareha fatratra fa manompo ny Tsitoha
satry foana halaina sary raha sendra manao asa soa
tsy mba sahy mitelin-drora raha tsy miantsa tonom-bavaka
nefa dia mihirim-belona , amy rahalahy latsaka an-davaka

Ny anao ny ondry zato tsisy foinao mba omena
Aleonao ihany handrimbinana ny an'ireo mananontena
Sitrany izy ireo latsaina amin'ny toriteny an-kamely
mantsy ianao efa Anjely ,fa iretsy kosa olom-bery

kinga ery manafin-keloka amin'ny ranomaso havozona
sahy mihatsaravelatsihy rehefa avy nanao taingim-bozona
Dia avy eo misora-tena fa mpanompo mahatoky
tsy mahatsapa hoe tia tena,tsy mahatsiaro ho mpisoloky

Dia dedadedaka tsy menatra , fa kely saina matin-doka
r'ilay mpitelina rameva, fa mpitantavana ny moka.
Ry taranaky ny menarana moa mbola vatranao jerena
Ny Tanin-jaza oriory , sy ny hiakan'ny mananontena?



Tsiolaka
22/03/24
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
99 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 07/06/2024 23:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1711