Tohy (tsiolaka)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nolaingosako tsy niera ny firaketana tan-danitra
tamin'ny ora nisokafan'ireo vavahady fito
raha Ilay tondraka maraina iny ilay onin-dranomanitra
nampisosa tsy niato ilay zahatra fodiako.

Nobitsihako mangina ho an'ny kintana maraina
ilay tononkira vitsy miangola fisamonina,
narahim-beso ivaivan'ireo loharanon'aina
ka posaka misasakalina ny johary vao niforona.

Ny taikam-pamantaran'ora no nanjehy tsy niera
ilay taon-jina fiotazana ny pitrapitran-jazavavy,
zehy tsy nety tonga refy ,nisy vena iray tavela
tamin-dalan-teritery mikirindro aviavy.

Tomany teo Ilay poezia nangalariko am-panahy
mantsy vaky rĂ  tsy fidy ny fo miaty hira miavaka
nampitambatra ho aina Ilay haika sahisahy
zary vakana fitohy ,fitanisana tonom-bavaka


Tsiolaka
070424
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
116 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 07/06/2024 23:38
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154