tsy manitra (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noviningitra ny akalankely voajary
Miaty sori-panorona fanorontsivy
kinaika ny hasin'Andriananahary
andaha-milatro ny vatontsikidy
vinela-tsanjasanja ny tsihy lavorary
tsinentsina ny iriky ny lavak'hidy
dia injao vaky lela ireo mpanazary:
"tsy manitra ozy fa asara mangidy"
foha!
misy fandrava laka mandiso fitetika
mampandeha mikizo ny paikam-panorona
tsy ny havana-midonan'ny kinga fihetsika
fa ilay tsy afa-bela ka milela-porina
mandoza fa vorika latsaka anaty
miandra vovonana ho am-porindaka
malakia mandavo ny todin'ny faty
adofory im-pito ho tapa-tsalaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
184 1
Mpakafy: tsiolaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 19/08/2025 21:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0196