Tsy tompony isika fa mpiambina???? (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
efa ringana ve ny ala?
vao samy mody adala.
hilaza tsy nahalala
sao lahy efa tara?

Aza misy anie izany
hoe lao sy potika ny tany
rava,konka,mitomany,
dia asa re izay hiafarany!

fa ho ripaka ireo biby
tsy nomena tombambidy
vao hamerina tadidy?
hoe diso tokoa Ilay safidy.

Sa andrasana ho voaloto
ireo rano sisa hany fisotro
ka tsy hisy azo hotovozina
fa efa tapitra voapoizina

Moa andrasana ho simika
ve Ilay rivotra iainantsika?
vao hiemotra amin-ditra
sao efa nenina no sisa!

satria tsy nisy tonga saina
hoe tahak'izay re mba najaina
inay mba nokarakaraina
fa singa tena miantoka aina


Tsiolaka
220424
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
82 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 07/06/2024 23:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1962