Very Remby (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Very...! tena very ialahy ry Gasy a
Malagasy sadasada sisa, gasy an-taratasy
Nilanjalanja diplaoma dia nanary fahendrena
nanamavo fananarana fa maika hanandra-tena.

Gasy tsy mahalala intsony Ilay tena fihavanana
naka tahaka vahiny dia nanary ny efa an-tanana
Nanao ny tsy fanao , mirebika amin'ny tsy an-tena
very hoa ialahy ry gasy a! lavitry ny famonjena.

rahoviana vao hitodika hitady indray ny very?
angatahana amin'ny Avo fa ny finoako efa kely.
Gasy Ray , Gasy Reny fa tsy Gasy fomba sy fiteny
nanjary very remby ,Gasy ialahy fa Gasy very.


Tsiolaka
07-04-24
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 07/06/2024 23:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0573