very vakana (tsiolaka)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O reroy e, o ry lahy!
sao tsikaritrareo any
'Lay vakana tsy ambanindahy
Sy 'lay manjakaben'ny tany?

Mba hanaovana azafady,
Raha mba sitrakareo ihany
Ndeha iarahana mitady,
Fa sarak'azy aho ka tomany!

Izy io mantsy Vakodrazako
Tsy mihata-maso na dia vitsy,
Fa vetivety teo tsy tazako
Toa nangalarina mihintsy.

Aiza intsony no ahitako
Raha sanatria ka tsy hita izay?
Ny kihoko no hofafako
Raha mandre izany ny i Abanay.

Rado lova tamin'i mama
Tan-tenda no niambozonako,
Indro fa nahabangana...!
Ho ekeny moa ve ny fifonako?

Ataoko ahoana no filaza,
Hoe raraka ny isan-tohy?
'Lay tongahasina natao haba
Ka very tsy hita anie reroy!!!

Mantsy tokana iny sisa
Ka atero re raha sendra any!
Aza atao "anjara mahita"
Fa mba avereno amiko ihany


Tsiolaka 10-06-20
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
95 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 08/06/2024 08:11
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2294